Minisiteran’ny tanora : tanora 150 nahazo fampitaovana

Mamaly hatrany ny hetahetan’ny tanora ny eo anivon’ ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Nisy, omaly, ny fihainoana ireo tanora 150, avy amin’ny fokontany 33, ma­nerana ny boriborintany 6, eto amin’ny kaominina Antana­narivo Renivohitra, misehatra amin’ny lafiny fandriampahalemana. Taorian’izay, nanolotra fampitaovana mahakasika izany ho azy ireo, ny minisitera, tamin’ny alalan’ny minisitra Resampa André Haja. Fam­pi­taovana, toy ny varavarana sy ny lampadaires, ahafahana ma­mpanjaka ny fandriampahalemana eo amin’ny fokontany misy azy ireo no natolotra, nandritra izany. Nohamafisin’ ny minisitra fa tafiditra anatin’ ny veliranon’ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, sy ho fanohizana ny politikam-panjakana amin’ny fanomezana sehatra ny tanora amin’ny fampandrosoana sy ny fampanjakana ny fandriampahalemana izao tetikasa izao. Ny tanora, hoy izy, no mamaritra ny 65 isan-jaton’ny mponina malagasy sy ny hoavin’ny firenena ka tsy maintsy ampandraisina andraikitra.
Tanjon’ny minisiteran’ny Ta­nora sy ny fa­natan­ja­han­te­na ny hananan’ ny tanora fi­za­kantena maharitra sy hoavy mamiratra azo antoka ary la­haram-pahamehana ny fanomezana tohana sy tantsoroka mifanaraka amin’izany.

Mi.Raz

Partager sur: