SOMBIM-BAOVAO

Notontosaina ny sabotsy lasa teo ny manasa-dalana fiadiana izay ho tompondakan’ny seksiona Maintirano, ligy Melaky, taranja baolina kitra. Hotanterahina ny alahady ho avy izao ny lalao famaranana amin’izany, izay hihaonan’ny FC Tsivoanino sy ny FC Rehila. Marihina fa fifaninanana entina hanamarihina ny taona vaovao ity atao ity.
Hotanterahina ny 3 sy 4 febroary ho avy izao ny lalao fifanintsanana ho an’ny ligim-paritr’Androy, taranja basikety 3 x 3, sokajy vehivavy U23. Marihina fa izay voahosotra ho tompondaka amin’ity fifaninanana ity no solontenan’ity faritra ity amin’ny fifaninanam-paritra “De la Rue vers l’Or”, izay hatao eto Antananarivo, ny 16-18 febroary.
Nihintsana teo amin’ny fiadiana ny amboa­ran’i Espagne “Coupe du Roi”, ny FC Barcelone ny alarobia teo. Lavon’ny Athletic Bilbao tamin’ny isa 4 no ho 2 izy ireo. Marihina fa i Xavi, espaniola mpanazatra ny FC Barcelone no nahazo faharesena betsaka indrindra teo amin’ny tantaran’ny Barça.
Taorian’ny fihintsanan’i Tunisie, nandritra ny fifanintsanana isam-bondrona tamin’ny “Can Côte d’Ivoire 2023”, tsy voatazona ho mpanazatran’ity ekipa ity intsony i Jalel Kadri. Tsiahivina fa i Tunisie no farany tao amin’ny vondrona “E”. Tamin’ireo lalao telo nataon’ izy ireo, faharesena iray sy ady sahala roa no azony.

Partager sur: