Les Talenta – Piment Café Behoririka. Rehefa ry zareo ireto no manafana ny fotoana ao, miitatra lavabe ny fiarahana. Hiverina ao amin’ny Piment Café indray, anio manomboka amin’ny 8 ora alina, i Mbola Talenta, Inah ary Fanilo Poppin’s. Maro dia maro ny hira notrandrahan’izy ireo, manomboka amin’ireo
taloha hatramin’ireo noforonina taty aoriana.
Toamasina -Tolo-tanana ho an’i Mika. Mihetsika koa ireo mpanakanto namany any Toamasina. Hotontosaina rahampitso 27 janoary manomboka amin’ny 7 ora alina ny hetsika, ao amin’ny Cibus. Mpanakanto am-polony maro no hifandimby an-tsehatra mandritra izany. Tsy misy vidim-pidirana fa hisy vata handraisana ny rakitra kosa.
Antsirabe – ao amin’ny Valahara Café i Tasha. Izy ilay andriambavilanitra mpiangaly ny gitara beso, tao amin’ny tarika No Mady. Nanoritra ny lalany tamin’ny mozika izy, ka haneho izany ho an’izay efa mpankafy sy ireo tsy mbola nahita ao Antsirabe, anio manomboka amin’ny 7 ora alina. Horavahan’i Holy
amin’ny filatroana ny fotoana.
Hetsika ara-javakanto, mahakasika ny haisoratra, maro samihafa no hatrehin’i Michèle Rakotoson, ny volana febroary sy marsa ho avy izao. Anisan’izany ny “Festival Atlantide”, ny “La biennale des literatures francophones”, ny “Salon du livre Afriçain”. Araka ny nambarany, ilaina hatrany ny mitondra avo ny haisoratra malagasy amin’ny sehatra iraisam-pirenena ho tombontsoan’ny rehetra.