Natao ny alakamisy teo, teny Anosy, ny dinika niarahan’ny tantsaha mpamokatra manerana an’i Madagasikara sy ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ratoharijaona Rakotoarisolo Suzelin. Nivoitra nandritra ny fihaonana ny zava-misy sy ny lesoky ny fiaraha-miasa hatramin’izay teo amin’ny minisitera sy ny vondron’ny tantsaha mpamokatra. Samy nitondra ny hetahetany sy nandroso soso-kevitra ho fanatsarana ny fomba fiasa ny vondrona tsirairay. «Zava-dehibe tokoa ny fihaonana amin’ny minisitra », hoy ny filohan’ny Tranoben’ny tantsaha, Razafimbololona Angeline Lydia. Nilaza izy fa anisan’ny vy nahitana sy angady nananana tamin’ny namolavolana ka nijoroan’ny Tranoben’ny mpamokatra tany am-piadohana ny minisitera ka manantena ny fitohizan’ny fiaraha-miasa amin’ny eny ifotony. « Atao isaky ny telo volana ny fihaonana, handrefesana ny dingana vita amin’izay fiaraha-miasa amin’ireo vondron’ny tantsaha », hoy kosa ny minisitra.
Henintsoa H.