“Mamokatra trondro 700 taonina isan-taona ny tetikasa fiompiana trondro maharitra eto Madagasikara (PADM) noho ny ezaka nataony. Namorona asa manodidina ny 5 120 koa ny tetikasa”, hoy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, Mahatante Paubert, nandritra ny atrikasa famaranana ny tetikasa “PADM” tetsy Ambodivona, omaly. Vaindohan-draharahan’ ny tetikasa ny fampitomboana ny vokatra trondro sy ny famoronana asa eo amin’ny sehatry ny fampamokarana ny atirano ho fampitomboana ny harin-karena isan-tokantrano. Niasa nanomboka ny taona 2017 tamina faritra enina teto amintsika izy. Ao anatin’izany ny faritra Analamanga, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania, Itasy ary Atsinanana. Mbola hotohizana mandritra ny efa-taona ny fiaraha-miasa, amin’ny alalan’ny tetikasa vaovao iarahana amin’ny GIZ, izay tohanan’ny BMZ. Hitohy any amin’ireo faritra ahitana tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo ambony, toy ny ao Atsimo Atsinanana sy Amoron’i Mania, izany.
Asa
Niompana tamin’ny fiompiana trondro an-tanimbary sy an-dobo ary ny fametrahana ny drafi-pampandrosoana ny fampamokarana ny atirano an-dranomamy sy an-drano matsaboka ny PADM. Teo ihany koa ny famolavolana ny torolalana mahomby ho an’ny fiompiana trondro. Ankehitriny, tafakatra 7 kilao isan’olona, isan-taona, ny tahan’ny fihinanana trondro eto Madagasikara, raha toa ka 4,26 kilao isan’olona, isan-taona, izany taloha. Vina ny hanatrarana ny 11 kilao isan’olona, isan-taona.
Henintsoa Hani