Mirona any amin’ny Pop rock ny lalan’i Caroja. Izy no voafidy hitana ny toeran’ny mpihira fototra ao amin’ny tarika Riaka.
Mitohy ny lalana! Rehefa avy naka bahana sy nandinika tsara, naneho ny safidiny amin’ny mozika hataony amin’izay i Caroja. Izy ilay nahazo ny amboara ka nisalotra ny anaram-boninahitra “La voix d’or 2023” tamin’ ny sokajy zokiny, nandritra ilay fifanininan-kira nokarakarain’ny fahitalavitra iray. Manomboka izao, i Caroja no mpihira fototra ao amin’ny tarika Riaka. Safidy izay efa hita taratra tamin’ny fironany ara-mozika, satria mety amin’ny feony no azo antoka sahady fa hitondra an’i Caroja lavitra kokoa eo amin’ny tontolon’ny mozika.
Mivoy ny Pop rock mantsy ny tarika, ary izay ny fototra na dia manafangaro gadona hafa toy ny country, folk, sns, ihany aza izy ireo. Tarika efa nisy, natsangan’i Rojo Razafindralambo ny taona 2023 izy ity. Sady mpikarakara ny tarika no mpamokatra satria tomponandriakitry ny trano famokarana C.U ihany koa. Tsy vaovao eo amin’ny sehatry ny fikarakarana hetsika ny tarika satria efa nandray an-tanana ny tarika Mage 4 tamin’izany fotoana izany. Tsy mahagaga raha toa ka hira noforonin’i Lita, izay nanorina ny Mage 4, no iaingan’ny tarika Riaka. “Ampy” ny lohateniny, izay efa navoakan-dry Tsila (gitara), Rojokely (vata maroafitsoka) ary
i Haingo (amponga maroanaka). Mbola mitady mpitendry gitara beso hameno ny tarika izy ireo.
Mbola hira noforonin’i Lita ihany ny “Madiditra”, izay ahenoana voalohany ny feon’
i Caroja. Efa vita fandraisam-peo ary mandeha ana habaka, tambajotran-tserasera, izany. Na eo aza ny maha mpamoron-kira ofisialy ny tarika Riaka an’i Lita, afaka mitondra hira avokoa ireo mpikambana, ary misokatra amin’ ny fiaraha-miasa amin’ny mpamorona hafa koa izy ireo.
Zo ny Aina