Mafy ny fifandonana teo amin’ny miaramila sy ny dahalo tao Ankazonambolena, fokontany Fotadalina, kaominina Ikalamavony, afakomaly. Dahalo valo indray maty voatifitra, basy roa azo teny amin’ireo malaso…
Tafika avy ao amin’ny holafy fahatelo, brigade infanterie Ikalamavony, niaraka tamin’ny zandary no nifanehatra tamina andian-dahalo mpanao fanafihana tao an-tanànan’Ankazonambolena, fokontany Fotadalina, kaominina Ikalamavony, afakomaly. Araka ny fampitam-baovao nampitain’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritry ny zandarimaria ao Ikalamavony, ny taona 2011 no efa nalaza ratsy sy nandravarava tao Ikalamavony ity andian-dahalo ity. Ao amin’ny faritra mampifandray an’Ikalamavony, toy ny ao Matsiatra Ambony, Ambalavao, Ankazoabo Atsimo hatrany Malaimbandy, ry zalahy no tena manao ny asa ratsiny. Ny taona 2015 no efa nangataka helikoptera handravana ity tambajotran-dahalo ity ny mpitandro filaminana any an-toerana saingy tsy mbola rava izany fa vao mainka nanao ny ataony izy ireo, araka ny tatitra voaray hatrany. Ny 16 novambra 2023 lasa teo, Nisy fanafihan-dahalo mahery vaika tao Ambodisaka, fokontany Ambatomainty Ikalamavony, ka fantatra tamin’izany fa ireo dahalo tarihin’i Sambo ireo ihany no tompon’antoka tamin’izany.
Naratra …
Nidina tany an-toerana ny eo anivon’ny OMC nandinika ny paikady hahafahana mamongotra ity asan-dahalo ity taorian’izay. Fantatra fa miafina ao Mangataboahangy i Sambo sy ireo namany ka nametraka ny paikady rehetra ahafahana misambotra azy sy ireo namany ny zandary. Tratra i Sambo niaraka tamin’ireo namany, afakomaly. Nentina tamin’ny moto ireo jiolahy ka tratry ny vela-pandrika indray ny zandary nitondra azy ireo raha niampita ny ranon’i Matsiatra. Nisy naratra tao anaty fifandonana ireo mpitandro filaminana sasany, raha ny fanazavan’ny kaomandin’ny vondron-tobim-paritra Ikalamavony hatrany. Nitondra basy mahery vaika ireto namany ireto. Nifanome tanana tamin’ny zandary ny tafika ka raikitra indray ny fifandonana tao Ankazonambolena. Dahalo valo (nahitana mpimasy) maty voatifitra. Tratra koa ny basim-borona nifampitifiran’izy ireo tamin’ny mpitandro filaminana.
J.C