Tafahoatra ny zava-miseho eto amin’ny firenena ! Ra latsaka etsy, ra latsaka eroa vokatry ny lozam-pifamoivoizana sy ny vono olona. Mampiteny ny « moana » ny trangam-piarahamonina mitranga na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra. Tena mijininika ara-bakiteny. Voaporofo fa zary tsy misy lanjany amin-dRamalagasy intsony ny aina.
Mahatonga saina ny firongatry ny tifitra tsy mandalo fitsarana ataon’ny mpitandro filaminana. Manao izay saim-pantany, tsy mijery ny lasibatra ny olon-dratsy. Samy manala ny fony ka mampihoson-dra izay sendra azy. Tena mampanontany tena ny zava-miseho. Efa tonga hatrany amin’ny finoanoam-poana mihitsy. Sanatrian-dresaka misy mitaky sorona?
Mitomany ny tany! Fijery saika iraisan’ny besinimaro eny anivon’ny fiarahamonina izany. Zary ny tsy manan-tsiny hatrany no mahita faisana amin’ny hafitsoky ny sasany. Marina, eo ny tsy fitandremana sy ny hamamoana, betsaka koa anefa no voasompatra. Firifiry ny mitandrina sy manaja lamina, saingy na maratra na maty, eny simba fananana ihany koa.
Iza izany no hitarainana? Amin’ny maha olombelona tsy maintsy miantso vonjy na tiana na tsy tiana. Mila fibeazana sy fanentanana misimisy kokoa ny mpampiasa lalana. Tsy natao ho an’ny mpamily fiara ihany, fa ireo mpampiasa kodiaran-droa: moto sy bisikileta ihany koa. Manana adidy ny hitondra ny anjara birikiny ihany koa ny mpandeha an-tongotra. Ny isam-batan’olona mandray ny andraikiny no afaka misoroka ny loza mitatao sy mihatra aminy.
Toraka izany ity vono olona sy tifitifitra etsy sy eroa ity. Mitaky ny firaisan-tsain’ny Malagasy tsivakivolo ny famerana izany. Mila mifanabe amin’ny tsy hirongatan’ny tsy fandriampahalemana, andaniny. Manohitra ny tsy rariny sy ny fanamparam-pahefana diso toerana, ankilany. Tsy misy tsy vitan’ny firaisankina. Ny akanga maro no tsy vakin’amboa !
r.r