« Slam national scolaire »: hiditra amin’ny andiany faharoa

Fifaninanana lehibe ani­san’ireo hokarakarain’ny Ma­dagaslam, amin’ity taona ity, ny “Slam national scolaire” andiany faharoa. Efa vita ny dingana voalohany ary vinavinain’ny mpikarakara hatao ny volana jona na jolay 2024 ny dingana faharoa sy famaranana. Ireo ankizy mpianatra eny amin’ny ambaratonga voalohany, avy amin’ny sekolim-panjakana, amin’ny faritra maro, no handray anjara amin’ izany. Mbola tsy voafaritra mazava kosa ny toerana ha­naovana izany, araka ny nambaran’ny tomponandraikitra.
Mitohy hatrany ny ezaka fampiroboroboana sy fampandrosoana ny «Slam poèsie», ataon’ny Tomponandraikitra. Ankoatra ny fanomezana sehatra sy fanasongadinana ny vehivavy, anisan’ny fanamby hapetraky ny tomponandraikitra ihany koa ny famerenana ny fifaninanana ho an’ny ankizikely, hitilina ireo talenta vao mitsiry. Izany indrindra no namerenana indray ny «Slam national scolaire». Efa nisy ny atrikasa sy fampiofanana nokarakarain’ny tomponandraikitra teny anivon’ireo se­koly tilina handray anjara ho fanomanana izany fifaninanana izany.

Lin

Partager sur: