Tanamasoandro Imerintsiatosika : velaran-tany 20 ha novolena zana-kazo

Nisokatra omaly tamin’ny fomba ofisialy ny taona fambolen-kazo. “Fambolen-kazo manarina ny tontolo iainana sy mamelon’aina no tanjona”, hoy ny filoha Rajoelina Andry.

Tontosa teny Imerintsia­tosika, omaly, ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny taom-pambolen-kazo 2024. Niatrika izany ny filoham-pirenena, Rajoelina An­dry mivady niaraka tamin’ny mpikambana eo anivon’ny go­vernemanta sy olo-manankaja maro. Zana-kazo miisa 18 000 no voavoly. « Tompon’ an­draikitra amin’ny hazo voleko aho », no lohahevitra na­voi­tra nandritra izany. Fanam­by napetraka ny hamboly hazo amina velaran-tany 75 000 ha amin’ity taona ity, araka ny nambaran’ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana lovain-jafy, i Max Fontaine Andoniaina.
« Vahaolana lehibe amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro sy ny fahasimban’ny tontolo iainana ny fambolen-kazo », hoy ny minisitry, anisan’ny tomponandraikitra mivantana. Zava-dehibe ary tafiditra ao anatin’ny vinan’ny fitondram-panjakana ny fanamaitsoana indray an’i Mada­ga­sikara. Marihina fa ireo toerana voafaritra ho toeram-pitsangantsanganana eny amin’ny Tanamasoandro, mirefy 20 ha no novolena hazo. Hazo hanome endrika tsara ny toerana, araka izany, no natsatoka. Anisan’izany ny flamboyant, likidambary, man­­taly, jacaranda ary ny frene.
Ifantohana ny fanaraha-maso
Tsy afaka ny hijanona eo amin’ny fambolena fotsiny fa tsy maintsy ifantohana bebe kokoa ny fanaraha-maso, mba hanatrarana ny tanjona napetraka, hoy ny minisitra tomponandraikitra. Voalohany in­drindra amin’izany ny fampiharana ny « Système d’information sur le réboisement » (SIR), izay paikadin’ny minisitera. Eo ihany koa ny fanentanana sy fiaraha-miasa amin’ny vahoaka eny ifotony, amin’ny alalan’ny tetikasan’ny fanjakana « Ankohonana miarina », izay hanampy ny tokantrano amin’ny fivelomany.

Lin

Partager sur: