Nidona tamin’ny kamiao! Namoy ny ainy ny mpamily taksiborosy iray tra-doza tao Antsirabe, afakomaly misasakalina. Miseholany ny lozam-pifamoivoizana. Taksiborosy mampitohy an’Antananarivo sy Fianarantsoa niharan-doza teo amin’ny lalam-pirenena fahafito (RN7) tao Andranomanelatra- Antsirabe, ny alin’ ny alakamisy hifoha ny zoma 26 janoary. “Reraka ka azon’ ny torimaso io mpamily io”, hoy ny Kaomandin’ny borigady misahana ny fifamoivoizana, ny Adjidà sefo, Mpanapakavitra Fidelar. Voafaokan’ ny mpamily io taksiborosy io tampoka ny kamiao lehibe nijanona tao anaty tanàna. Potsitra teo amin’ny toeran’ny familiana ilay mpitondra taksiborosy. Nifampisokirina izy saingy tsy tana intsony ny ainy. Tompon’ilay taksiborosy ihany io maty io. Ankoatra azy, mpandeha miisa folo naratra ka nentina nihazo ny toeram-pitsaboana tao Andranomanelatra.
“Tsy azo atao ny dona miverina”
Hisorohana ny lozam-pifamoivoizana ateraky ny tsy fahampian-torimaso sy ny harerahana toy ity niseho tao Andranomanelatra ity, notsiahivin’ny zandary Kaomandin’ ny borigady misahana ny fifamoivoizana, ny Adjidà sefo, Mpanapakavitra Fidelar, fa tokony hisy mpamily faharoa hatrany anatin’ny taksiborosy miasa amin’ny lalana maherin’ny adin’ny valo. Mampirongatra ny loza tahaka izao koa ny tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fitaterana. “Tsy tokony hiverina hitondra mpandeha hafa indray ireo mpamily nahavita nitatitra nandritra ny atoandro. Tsy manao dona miverina”, hoy ny zandary.
Tsiferana R.