Am-perinasa tanteraka ny milina mpanodim-bokatra napetraky ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, (MIC) Razafindravahy Edgard, ao Antsirabe I sy Betafo, ny sabotsy teo. Mamokatra paoma hatrany amin’ny 10 000 t isaky ny taom-pamokarana Antsirabe. Noho izany, hanodina paoma 500 kg isan’ora ny milina fanamboarana “cidre”, hotantanin’ny Ampalia Madagasikara, ao an-toerana. Hahazo tombontsoa mivantana amin’ny tetikasa “One District One Factory” (ODOF) ny tantsaha mpamokatra sy ny mpandraharaha hitantana ny orinasa ary ny fanjakana. “Mandalo dingana maro ny fihodinan’ny milina. Aterina any amin’ireo distrika sy kaominina misitraka izany ny milina aorian’ny fahatongavan’ireo fitaovana nohafarana. Mandeha aorian’izany ny antso ho an’ny tetikasa, ho an’ny mpandraharaha hitantana izany izay vao manomboka ny fananganana, ny andrana teknika ary ny fampandehanana”, hoy ny minisitra.
Manakaiky vahoaka
Voafantina hitantana ny taninketsa indostrialy manodina ovy ho lasa “chips” ny kaoperativa Fanirisoa. Hamokatra chips 150 kg isan’ora ny milina raha toa ka mahatratra hatrany amin’ny 30 000 t isan-taona ny vokatra ovy ao an-toerana mandritra ny taom-pamokarana. Ankoatra izay, hojeren’ny fanjakana akaiky ny vidin’ny ovy ao an-toerana sy ny masonkarenan’ny tantsaha ary ny vokatra aorian’ny fahatongavan’ny milina.
Henintsoa H.