“Can” – Ampahavalon-dalana: hifanandrina ny tompon-trano sy ny tompondaka

Notontosaina nanomboka ny sabotsy lasa teo, ny lalao ampahavalon-dalana fiadiana izay ho tompondakan’i Afrika «Can 2023», taranja baolina kitra, izay atao any Côte d’Ivoire. Raha ho an’ny anio, hihaona amin’ny Eléphant, Côte d’Ivoire, mpampiantrano, ny Lion de la Teranga Sénégal, tompon­daka farany.
Tsiahivina fa anisan’ireo firenena voasokajy ho laha­rana fahatelo tsara indrindra «meilleur 3ème» tao amin’ny vondrona «A» i Côte d’Ivoire. Nivoaka laharana voalohany tao amin’ny sokajy «C» kosa i Sénégal. Tsara ny mampahafantatra fa fandresena tokana sy faharesena roa no azon-dry zareo ivoarianina tamin’ireo lalao telo nataony, raha toa ka nahazo fahombiazana intelo ny senegaley tamin’ireo fihaonana nolalovany.
Raha ny fihaonan’ny roa tonta farany, nisaraka ady sahala 1 no ho 1 izy ireo, nandritra ny lalao ara-pirahala­hiana, ny taona 2017. An­koatra izay, efa tafita any amin’ ny ampahefa-dalana i Angola sy i Nigeria. Ny ekipa nasio­naly angoley, nanintsana an’i Namibia tamin’ny isa 3 no ho 0 ny sabotsy teo. Ny ekipam-pirenena  nizerianina, nandavo an’i Cameroun, 2 no ho 0. Tsara ny mampaha­tsiahy fa hanomboka ny zoma 2 febroary ho avy izao ny ampahefa-dalan’ny “Can 2023”.

Fitia Randria

Partager sur: