FANTINA sy FINTINA

Hamoaka ny tatitry ny vokatry ny ady amin’ny kolikoly, taona 2023, ny eo anivon’ny “Transparency International Initiative Madagascar”, rahampitso. Eo amin’ny laharana faha-147 amin’ireo firenena 180 i Madagasikara ary nahazo naoty 26/100.

Nanentana ny fandraisana andraikitra sy ny firaisankinan’ny mpikambana ny filoha nasionalin’ny Tim, Ravalomanana Marc, ny herinandro teo, teny Faravohitra. Nandray ny solontena isam-paritra avy amin’ity antoko ity ny tenany, nifampirary soa noho ny taona vaovao.

Hanatanteraka atrikasa ho an’ny firenena ny eo anivon’ny Antenimieran’ny raiamandreny foko (ARFM). Hatao eny amin’ny Fofikri Ilafy izany, rahampitso sy ny alarobia izao. Anisan’ny andrasana amin’izany ny tohin’ny fikaonandoha sy ny dinika efa natao.

Tafapetraka eo amin’ny toerany, ny Eveka, ny Mgr Razafitsimialona Luc Olivier, Evekan’ny Diosezin’i Tôlagnaro, omaly. Tonga nanatrika izany tany an-toerana ny Praiministra Ntsay Christian. .

Partager sur: