Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 janoary 2024, ny fotoam-piasan’ny fikambanana Diamaro, izay tarihin’ny filoha sady mpanorina, Velomihoatra Painchard.
Natomboka tamin’ny lafiny sosialy ny hetsika. Nisy ny fanolorana dabilio ho an’ny sekoly fanabeazana fototra, EPP, tao Ambalanaomby, kaominina ambonivohitra Farafangana, Faritra Atsimo Atsinanana. Tanjona ny hanampiana ny ray aman-dreny sy ny mpianatra izay misedra fahasahiranana.
Nilaza ny filohan’ny fikambanana, nandritra ny lahateny nataony, fa zava-dehibe ho an’ny Diamaro ny fijerena manokana ny zaza sy ny fianarana. “Tsapa fa maro ny sekoly tsy ampy fitaovana na tsy manana dabilio ipetrahan’ny mpianatra ka izay no nahatonga anay mitondra ny anjara biriky tahaka izao. Mazava rahateo ny teny filamatry ny fikambanana izay mifototra amin’ny fijerena ny maha olombelona aloha. Manaraka izay ny fivoizana ny firaisan-kina satria ny diamaro no maha tovolahy, ny soa atao levenam-bola”, hoy izy. Nohamafisiny ihany koa fa singa iray lehibe anatin’ny fampandrosoana ny fampianarana ka anisan’ny ho lohalaharana anatin’ny hetsika sosialy izay hataon’izy ireo. “Ny zaza no hoavin’ny firenena, tsy azontsika atao ambanin-javatra izy ireny”, hoy hatrany ny filoha, Velomihoatra Painchard.
Tonga maro nanome voninahitra ny fotoana ny ray aman-drenin’ny mpianatra sy ny ankizy beazina ao amin’ny EPP Ambalanaomby. Velom-pisaorana sy fankasitrahana izy ireo amin’izao fanampiana lehibe nentin’ny fikambanana Diamaro izao. Nitondra ny tenin’izy ireo i Madama Soanirina, mpanabe ao amin’ny sekoly.
Manaja raiamandreny
Marihina fa niforona ny 23 jona 2023 ny fikambanana Diamaro. Hiompana be dia be amin’ny lafiny fanabeazana sy fahasalamana ary ny sosialim-bahoaka ny hetsika rehetra ataony amin’ity taona 2024 ity. Ankoatra izay, fikambanana manaja ny soatoavina malagasy sy mandala ny fihavanana izy. Porofon’izany, tsy hadinon’ny filoha mpanorina sy ny mpikambana niara-dalana taminy ny namangy sy niarahaba ireo raiamandreny ara-drazana avy amin’ny foko Rabakara sy ny fianakaviamben’ny foko valo na ny Tohotroky.
Izay mahavangivangy
rahateo tian-kavana !
Tsiahivina fa tsy sambany ny fikambanana no mijery ireo raiamandreny any ifotony. Efa nisy ny volana novambra lasa teo ny fitondrana anjara biriky ho an’ny fanarenana ny Tranobe Marovata an’ny foko Zafisoro, ao amin’ny kaominina Ambanivohitra Evato, distrikan’i Fafarafangana, faritra Atsimo Atsinanana hatrany. Fiaraha-misalahin’ny vahoaka ao an-toerana sy ny fikambanana Diamaro no nahafahana nanarina ity Tranobe ity.
Ankoatra izay, efa nisy ny fitsidihana ireo raiamandreny ara-drazana tany amin’ny foko Tevato sy Zaramanampy, ary Zarafagnilia, amin’ny tapany atsimon’ny Farafangana sy ny tany Egninosy renivohitrin’ny foko Antefasy ny faramparan’nytaona 2023 lasa teo.
Fotoana nanomezam-boninahitra ireo raiamandreny ara-drazana. Nentina nampahafantarana sy nanitarana ny fikambanana ihany koa. Nahita taratra ny fahalian’ny mponina amin’ny fandrosoana ny fitsidihana. Nisy ny fanomezana tsodrano ny filoha mpanorina sy ny fikambanana tamin’izany.
Mijery manokana ny tanora
Ny sosialim-bahoaka no hiompanan’ny hetsika ataon’ny fikambanana amin’ity taona 2024. Tsy midika anefa izany fa hijanona hatreo ny fijerena ny lafiny toekarena sy ny sehatra fampandrosoana. Raha tsiahivina anisan’ny manome vahana ny lafiny fanantanjahantena mifandraika amin’ny maha olona ny fikambanana. Mijery hatrany ny tombontsoan’ny besinimaro. Porofon’izany ny fanomezana fitaovana, toy ny fanamiana sy baolina, fananganana toeram-pijerena izany (tribune). Manginy fotsiny ny fifaninana izay sady fibeazana ny tanora tsy hirona amin’ny fidorohana zava-mahadomelina, no fanamafisana ny firaisankina anatin’ny fialamboly. Nifanindran-dalana tamin’izany ny sehatra toekarena, tamin’ ny fanavaozana ny tsena ravan’ny rivodoza Batsiray.
Marihina fa efa misandrahaka manerana ny distrikan’i Farafangana ny fikambanana, izay miezaka ny mitondra fomba fijery hafa miompana amin’ny fampandrosoana miainga avy eny ifotony. Misokatra ho an’ny sokajy rehetra ihany koa izy, indrindra ny olona resy lahatra amin’ny asa mitondra vokatra amin’ny mpiara-belona sy ny tanindrazana. Manome vahana ny fahasamihafana rahateo ny fikambanana, porofon’ireny ny fijerena manokana ny zaza varira tamin’ny fanampiana ny sekoly izay miahy manokana azy ireo.
Nanantontosa : Sajo