Tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ny fanakaikezana ny mpanao asa tanana ho fampiroboroboana ny seha-pihariny sy hitondram-bahaolana ho an’ny sehatrasa ataony. Tonga nitsidika toerana mpanodina tandrok’omby iray ao Imerintsiatosika, noho izany, ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Randriamandranto Joël, ny zoma teo. Tapaka nandritra ny fifampiresahan’ny roa tonta fa hapetraka ao an-toerana ny ivontoeram-pivarotana tandrok’omby hanamorana ny fahazoana akora fototra ho an’ireo mpanao asa tanana. Ankoatra izay, hapetraka eny amin’ny lalam-pirenena voalohany (RN1) ihany koa ny toerana fizahantany mitondra ny anarana hoe « La route de l’artisanat » entina hanasongadinana ireo mpanao asa tanana manaraka iny lalam-pirenena iny, indrindra amin’ny fampahafantarana ny asa ataony. Mifanandrify amin’ny drafitra apetraky ny minisitera izany rehetra izany hampivelatra ny vokatra sy mba hahitana lalam-barotra. Ao anatin’izany ny fampiofanana ireo mpanao asa tanana, ny fanamorana ny fahazoana ny akora fototra. Marihina fa dingana lehibe amin’ny fampandrosoana maharitra ny asa tanana any amin’ny faritra Imerintsiatosika ity natao ity.
Henintsoa H.