Miangavy ny fanjakana hampiditra ny fahaiza-miaina, ny fanajana ny soatoavina, ny tantaran’i Madagasikara amin’ny taranja any an-dakilasy ny tomponandraikitry ny fikambanana Tily sy Mpanazava eto Madagasikara. Ilaina amin’ny fanabeazana izany. Nandritra ny fisantarana ny fanamarihana ny faha-100 taonan’ny Tily no nanambarany izany ny sabotsy lasa teo, teny Mahamasina.
Tombanana hiakatra ny maripana ato anatin’ny roa andro hoavy. Manomboka ny alarobia kosa, mety hisy fidinany izany ho an’ny afovoantany sy ny tapany atsimon’ny Nosy. Mila mailo ny mpampiasa ranomasina satria mbola mitoetra hatrany ny alondrano antonony avy atsimo atsinanana any amin’ny morontsiraka atsimo sy atsimo atsinanan’ny Nosy.
Ao anatin’ny hetsika 100 andro ataon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka ny fanolorana tolotra momba ny fandrindrana fiainam-pianakavian maimaimpoana. Maro karazana ny fandrindrana fiainam-pianakaviana azo isafidianana. Betsaka ireo tombontsoa azo avy aminy. Afaka manatona eny anivon’ny tobim-pahasalamana ireo izay liana.
Mbola lafo ny legioma sy ny anana eny amin’ny tsenam-pokontany noho ny fahabetsahan’ny rotsakorana nanimba ny voly ambany toerana rehetra. 500 Ar vao mahazo anana ary vidiana amin’ny kilao avokoa ny legioma.