Mampitombo ny traikefany hatrany ireo Malagasy mpitsara sy mpanazatra eo amin’ ny taranja Kick Boxing. Ny herinandro lasa teo, nisitraka fampiofanana iraisam-pirenena, notarihin’ilay renioney mpampiofana, i Marc Hoarau, ireo mpitsara sy mpanazatra ary mpianatra asa 20 mianadahy. Nanomboka ny alarobia 24 janoary ity fampiofanana ity ary nifarana ny zoma 26 janoary lasa teo. Ireo mpitsara 12 mianadahy confirmés no notolorana ny mari-pankasitrahana taorian’ny fampiofanana, amin’ ny maha Stage de perfectionnement azy, araka ny fanazavan’ny Maitre Ratolojanahary Jean Aimé. Tanjona ny hitovizan’ny fomba fitsarana eto Madagasikara amin’ny any ivelany. Efa manomboka mivoatra ankehitriny ny lafiny fitsarana eo amin’ity taranja ity, eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, ka mila maharaka izany ihany koa ny Malagasy mpitsara. Ny fampiharan’ireo mpiofana izay norantoviny nandritra ny telo andro, any amin’ny sehatra misy azy avy, no tena andrasana aorian’ny fampiofanana. Miandrandra fiovana sy fanatsarana ny lafiny fitsarana, ny mampiofana sy ny tontolon’ny Kick Boxing. Tetsy ankilany, nanome toky ireo mpiofana fa tsy handraraka ilo mby an-doha izay nifampizarana ary tena hampihatra izay fahalalana rehetra noraisina, ho fampandrosoana ny taranja. Ho an’ity taona 2024 ity, efa eo andalam-pamolavolana ny tetiandro mahakasika ny fifaninanana amin’izao fotoana izao ny eo anivon’ny federasiona malagasin’ny Kick Boxing, araka ny vaovao voaray.
Mi.Raz