Tontosa ny sabotsy 27 janoary lasa teo, teny amin’ny Akademiam-pirenena momba ny fanatanjahantena (ANS) Ampefiloha, ny fifidianana izay ho filoha vaovao hitantana ny Madagascar Aquatics na ny Federasiona malagasin’ ny lomano. Lany nandritra izany, Raveloson Rolland Mick. Ligy 7 no tonga nandatsa-bato tamin’ny fifidianana. Samy nifidy avokoa ireo nandatsa-bato.
5 ny kandidà nirotsaka ho fidina, nahitana an’i Désiré Thomas, Raveloson Mick, Randrianandraina Richard, Rabary Hary Jaona ary Razafindramahatra Harijesy. Tsy olom-baovao eo amin’ny tontolon’ny lomano, Raveloson Mick, fa izy no filohan’ny klioban’ny Saint Michel, taranja lomano, ankehitriny. Efa tsy zoviana amin’ny rehetra intsony. Tsiahivina fa efa indroa nihemotra ity fifidiana teo anivon’ny federasiona malagasin’ny lomano ity. Tamin’ny voalohany, tsy nisy kandidà nirotsaka ka voatery nahemotra. Ny volana desambra 2023 teo kosa, nisy kandidà tokana nirotsaka. Tsy afaka nofidina izy noho ny sazy nahazo azy tany amin’ny taranja hafa. Foana indray ny fifidianana teo.
Tontosa soa aman-tsara ny fifidianana, afakomaly, nahalany an-dRaveloson Mick.
Mi.Raz