MJS : hanohana ny vinan’ny Tily Madagasikara

Naneho ny fahavononany amin’ny fanohanana ny vinan’ ny Tily Madagasikara ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena. Nambaran’ny minisitra, Resampa André Haja izany, ny sabotsy lasa teo. Nanararaotra ny fankalazana ny faha-100 taonan’ny Tily, teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Maha­ma­sina, izy nilazana izany. Vinan’ ny Tily ny hanangana orinasa 100 amin’izao faha-100 tao­nany izao. Drafitrasa tena naharesy lahatra ny MJS.
Efa betsaka ihany koa ny fiaraha-miasa ho fampandrosoana niarahan’ny roa tonta ka hotohizana izany. “Miso­katra ho an’ny Tily Madagasi­kara ny varavaran’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena mba hanatrarana ny tanjona dia ny politika ankapoben’ny fanjakana”, hoy ny nambaran’ny minisitra Re­sampa André Haja.
Miisa telo ny politika ankapoben’ny fanjakana, anisan’ izany ny loharanon-karena mifototra amin’ny olona. Toy izany koa ny fampiroboro­boana ny indostria sy ny fa­nodi­nana ny toekarena ary ny fahaiza-mitantana. « Olona manantalenta, afaka manatanteraka ireo teboka telo ireo ny Tily Madagasikara », hoy hatrany ny minisitra. Hita taratra amin’ny fomba fiaina sy fandraisana andraikitra ase­hon’izy ireo izany. Niarahaba sy nirary fahombiazana ho an’ny Tily ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahan­tena, amin’izao fankalazan’izy ireo ny faha-100 taonany izao.

Mi.Raz

Partager sur: