Misokatra ho an’ny firenena avy ao Moyen Orient ny lanitr’i Madagasikara. Hanao sidina mandritra ny herinandro mampifandray amin’ny firenentsika ny kaompania Qatar Airways.
Hitombo ny isan’ny sidina iraisam-pirenena hampitohy an’i Madagasikara amin’ireo firenena any ivelany. Natao ny zoma teo, tetsy Anosy, ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny fanjakana malagasy, amin’ny alalan’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro sy ny kaompaniam-pitaterana Qatar Airways. Hanao sidina isan’andro eto amintsika ity farany. “Manodidina ny 80 isan-kerinandro eo ny sidina iraisam-pirenena tonga eto Madagasikara. Noho izany, hampitombo indray ny sidina avy any ivelany tonga eto amintsika izao fifanaraham-piaraha-miasa izao”, hoy ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, Ramonjavelo Valery. Kaompaniam-pitaterana ana habakabaka matanjaka maneran-tany ny Qatar Airways. Mampifandray firenena manodidina ny 170 izy.
Vina
Mikasa hanao sidina 14 isan-kerinandro eto Madagasikara ity kaompania ana habakabaka ity. Iray natokana ho an’ny fitateran’olona raha toa ka hitaterana entana (cargo) kosa ny iray hafa. Vinavinaina hampitomboina telo isan’andro ny sidina ataon’ny kaompania eto amintsika mandritra ny dimy taona manaraka. Ankoatra izay, hanampy an’i Madagasikara amin’ny fanatrarana ny 1 tapitrisa mpizahatany ho tonga eto amin’ny firenena, ny taona 2028, izao fiaraha-miasa izao.
Dingana ahafahana manokatra ny lanitr’i Madagasikara amin’ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka any Moyen Orient ihany koa ny fifanaovan-tsonia eo amin’ny fanjakana malagasy sy ity kaompania ity. Samy hisitraka tombontsoa ny roa tonta.
Henintsoa Hani