Sehatra bagasy: hisy ny « Atrikefa fintina 2023 »

Nohatevenina ny hetsika « Sehatra Bagasy » febroary 2024. Hotanterahina ny sabotsy 3 febroary izao, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny IKM Antsahavola, ny « Atrikefa sehatra bagasy fintina 2023 ». « Hofintinina amin’ny alalan’ny sary sy feo voarindra ireo sahanasa 2023 notanterahin’ny  Sehatra bagasy  nandritra ny taona 2023 », hoy Ratefiarison Lydie, filohan’ity fikambanana mikajy sy mikolokolo ary mampivelatra ny bagasy ity. Tohizana avy hatrany amin’ny sehatra malalaka ho an’ny rehetra ny fandaharam-potoana.
Ny sabotsy 10 febroary, manomboka amin’ny 2 ora sy sasany, ao amin’ny efitrano malalaka Aro Antsahavola. « Zara sehatra » miaraka amin’ny tarika Angola Itokiana sy fanatanterahana ny « Asaramanitra bagasy ». Nomarihin’ny filohan’ny Sehatra bagasy fa ahitana ny sokajin-taona rehetra ny Angola Itokiana. Ny fahaiza-mandrindra ny feo ao anatin’izany no anisan’ny mampiavaka ity tarika ity, raha ny fanazavany hatrany.
Amin’ny ankapobeny, io rindram-peo io sy ny tononkira « tsara rafitra » no anisan’ny aina mamelona ny bagasy.

HaRy Razafindrakoto

Partager sur: