Mirongatra ny fakana an-keriny, fanolanana, herisetra… ? Eo koa ny fisolokiana, fisandohana, fanambakana… Misy ny hoe tsy matahotra na iza na iza, fa mahalala olona, hono. Fahantrana no hoe antony? Mahantra hatramin’ny saina… Fa lehibe koa ny tsy fanarahan-dalàna, tsy fahatahorana na tsy firaharahana fanjakana: na mpitandro filaminana io, na fitsarana… Kolontsaina koa no antony? Tsy mety ho kolontsaina ny fanajan-dalàna. Na misy aza izany, am-boalohany ihany fa tsy hentitra sy tsy mitohy. Na tsy misy hasina, sanatria, ny lalàna, tsy manana ny heriny: rehefa lalàna dia lalàna, mafy ny lalàna saingy izay ny lalàna, fampihatra ny lalàna…
Loza iray, loza roa… Rehefa tsy hita sy tsy iainana ny herin’ny lalàna, ny lalàn’ny hery no manjaka: izay be vava no toavin-teny, izay matanjaka no manjaka. Tsy misy koa izay tena azo tahafina amin’ny fanajana sy fampiharana lalàna? Amin’ny antsipiriany sy manontolo io, fa tsy hoe izay metimety amin’ny tena ihany. Rahoviana vao ho tena kolontsaina ho an’ny rehetra ny fanajana lalàna? Na lalàna mandrara io, na lalàna manery. Amin’izany, tsy tahotra fitsarana sy fonja no anajana lalàna fa rivotra iainana: mamelona, miaro… Fahamboniana amin’ny maha olona ny fanajana lalàna fa tsy mahamenatra, tsy iferotana aina, tsy mahafaty antoka…
Ny fahantrana lalina sy maharitra ary mahahenika ny maro no mahatonga ny tsy fanarahan-dalàna? Manosika ny sasany manaotao foana, tsy mihevitra ny hafa… Nefa izay tsy fanarahan-dalàna izay koa vao mainka mampihombo sy mampitombo ny fahantrana. Izay matanjaka tsinona no manjakazaka, samy manao izay saim-pantany ny maro ka izay mahery sy fetsifetsy no heverina ho inona. Anisan’ny sosialim-bahoaka izay rehetra izany? Maha olona sy maha fanjakana tan-dalàna…
R Nd