Ho fanampiana ny olona voan’ny homamiadana. Tontosa omaly ny fampisehoana nataon’ny mpanakanto maro tetsy amin’ny Ekar Antanimena, ny sabotsy teo. Nahitana an’i José sy Fiderana (Tarika Hasina), Vetsonkira, Malala (Tarika ‘Zay) ary Tanora feon’ny fiderana Nanganehana. Nindramina tamin’izany ny fihirana ny hiran’ny tarika “Les Surfs”.
Nahatanteraka ny fifampiarahabana tratry ny taona 2024 omaly, tetsy Ambatomena, ny Federasiona mpikanto ny teny sy ny soratra (FMTS). Fiarahana notarihin-dRakotoarisoa Tsilavina. Nivoitra tamin’izany ny famelomana sy fanamafisana ny fihavanana sy ny fifankatiavana eo amin’ny rehetra.
Natomboka tamin’ny fampisehoana takariva ny famelaberalarana ny hetsika ara-kolontsaina eo anivon’ny IFM Analakely, ny faran’ny herinandro teo. Fotoana nampahafantarana ny hetsika karakarain’izy ireo mandritra ny taona. Tafiditra indrindra ao anatin’ny fankalazana ny taona vaovao ihany koa izany.
Rabefaritra Fiderana Massy, lovitao, nisolontena ny beazina rehetra. Nitondra ny kabary fanokafana ny fahazato taonan’ny fikambanana Tily eto Madagasikara tetsy Mahamasina, ny sabotsy teo, izy . Kabary nataony voalohany io, ka notoloran’ny Réverand Rakotoarivony Célestin (Mpikambana zokiny indrindra) fahatsiarovana izy nanoloana izany.