Telma Coupe de Madagascar: Voatazon’ny Elgeco Plus ny amboara sy ny lelavola 15 tapitrisa Ar

Nifarana omaly ny fiadiana ny amboaran’i Mada­gasikara “Telma Coupe 2023”. Lavon’ny Elgeco Plus tamin’ny isa 2 no ho 1 ny CFFA Andohara­nofotsy.

Tsy niova tanana ny amboaran’i Madagasikara “Telma Coupe 2023”, taranja baolina kitra. Lasan’ny Elgeco Plus Analamanga izany, niaraka tamin’ny lelavola
15 tapitrisa Ar. Lavon’izy ireo tamin’ny isa 2 no ho 1 ny CFFA Andoharanofotsy. Lalao famaranana natao teny amin’ ny kianjan’ny Elgeco Plus by-pass, omaly.
Raha hiverenana ny fihaonan’ny roa tonta. Nanakobana ny harato voalohany ny Elgeco Plus. Matin’ny Doddy, teo amin’ny minitra fahadimy ny “penalty” azon’ny ekipan’Ana­lamanga. 20 minitra taorian’izay (26 min), nosahalain’i Lalaina, mpilalaon’ny CFFA ny isa teny amin’ny solaitrabe. Ady sahala, 1 no ho 1, no nentina niala sasatra. Teo amin’ ny fizaram-potoana faharoa, nifandimby tanteraka ny fanafihana ho an’ny roa tonta. Maro ireo baolina tokony ho tafi­ditry ry Bertho sy Lalaina ho an’ny CFFA ary ny an-dry Doddy sy Jean Yves, ho an’ny Elgeco Plus.
Tany amin’ny minitra faha-86, nampian’i Dinoh, mpilalaon’ny Elgeco ny isa rehefa nahazo tolotra tsara avy amin’ i Safidy. Niezaka nanenjika ny isa ny CFFA saingy nifarana tamin’io isa 2 no ho 1 io ny lalao. Nan­dresy ny Elgeco Plus.
Tsiahivina fa anaram-boninahitra fotsiny no niadiana tamin’ity fa tsy mbola misy fivoahana any Afrika. Hisy ny “Super coupe”, hifanandrinan’izay mandresy amin’ity 2023 ity sy izay mahazo ny amboara 2024. Hisolontena an’ i Madagasikara any amin’ny fiadiana ny amboaran’ny Caf, izay mivoaka ho mpandresy amin’izany. Tsara marihina fa raha mbola azon’ ny Elgeco Plus ny amboara « Telma Coupe 2024 », tsy misy ny Super Coupe. Notoloran’ny Telma lelavola 2 tapitrisa Ar avy moa ireto ekipa roa nanao famaranana ireto.

Fitia Randria

Ireo nahazo mari-pankasitrahana
tamin’ny « Telma Coupe » :
Mpanazatra mendrika : Andry Hilde­coeur Henintsoanarivo na Coach Dekera, Elgeco Plus, nahazo 1 tapitrisa Ar
Mpilalao mendrika : Razafindrakoto Jean-Yves, Elgeco Plus, nahazo 1 tapitrisa Ar
Mpampiditra baolina betsaka indrindra : Thony, US Pro, nahazo 1 tapitrisa Ar
Amboaran’ny Fair-play : Disciple FC, nahazo 1 tapitrisa Ar
Mpiandry harato mendrika indrindra : Razakanirina Nina, Elgeco Plus, nahazo
1 tapitrisa Ar

Partager sur: