Handray anjara amin’ny hetsika « Borsa Internazionale del Turismo (BIT) Milano 2024 » ny 4-6 febroary, ao Italie, ny delegasiona avy amin’ny Ofisim-paritry ny fizahantany Nosy Be (ORTNB). Fotoana hampahafantarana ny zavaboahary sy ny hakanton’ny Nosy, indrindra ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany.
Hamokatra zana-trondro manodidina ny 5 tapitrisa isan-taona ny station piscicole napetraka ao amin’ny kaominina Bezaha, distrika Betioky Atsimo. Manodidina ny 307 000 taonina isan-taona ny filàna eto Madagasikara ary mbola malalaka ny tsena. Tanjona ny hampiroboroboana ny fiompiana trondro eto amin’ny firenena.
Manomboka manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ny fanaraha-maso sy ny fanatsarana ny fahasalaman’ny biby eto Madagasikara. Mbola misy nefa ireo mila fanarenana, araka ny tombana nataon’ny Organisation mondiale de la santé animale (OMSA). Nojerena ihany koa izany sehatra izany tany amin’ny faritra hafa.
Nanomboka miverina amin’ny laonina, ny sabotsy teo, ny fifamoivoizana eo amin’ny tetezamby eo Ankaramihely, teboka halaviran-dalana, PK 400, eny amin’ny lalam-pirenena fahenina taorian’ny fihotsahan’ny tany vokatry ny oram-be nikija. Marihina fa latsaky ny 48 ora ny fe-potoana nametrahana ny fotodrafitrasa.