Anisan’ny laharam-pahamehan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ny sehatry ny taotrano sy ny asa vaventy ary ny loharano stratejika. Nisy ny fanadihadiana natao momba ny angovo azo havaozina. Niarahana tamin’ny GIZ sy ny Insitut européen de coopération et de développement (IECD) ny nanatanterahina izany. Hametraka rafitra fanofanana mifanaraka amin’ny filàn’ny tsenan’ny asa momba ity angovo madio ity ny minisitera ary mihavao sy mihatsara hatrany izany isan-taona. Vokatry ny fanohanan’ny GIZ sy ny IECD ny asa. Ny fitaleavana misahana ny lasi-panofanana sy ny antoka kalitao no mikarakara ny atrikasa nandritra ny roa andro, tao amin’ny CNEF BTP Ampefiloha.
Anton’ny atrikasa ny fanatsarana ny kalitao sy ny fahombiazan’ny fampianarana teknika eo amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina.
Hanome vahaolana amin’ireo olana maro sedraina eo amin’ny fampandrosoana ny rafi-pampianarana ny Politika nasionaly momba ny fampananana asa sy ny fanofanana arakasa.
Vonjy