Antanambao Manampontsy: miandrandra ny fahavitan’ny lalam-pirenena faha-20

Lalam-pirenena azo sokajiana ho mampifandray kao­minina maro ao anatin’ny disitrikan’ Antana­m­bao Manam­po­ntsy sy Vato­mandry ny lalam-pirenena vonjimaika  faha-20 “RNT” (Route na­tio­nale temporaire).

Mirefy 58 kilometatra miala eo amin’ny la­lam-pirenena faha-11 A, eo Ilaka Atsinanana ka hatrany Antanambao Manam­pontsy ity lalana ity. Lavitra sady ratsy ny lalana, raha ny zava-misy sy ny fanadihadiana natao. Sakana ho an’ny fandrosoan’ny mponina sy ny kaominina ireo zava-misy ireo. Vokany, misedra olana goavana ny mponina, toy ny renim-pianakaviana saro-piterahana sy ireo marary mafy, izay tsy maintsy hanatona toeram-pitsaboana haingana any Vato­mandry. Ankoatra izay, misy fiantraikany amin’ny famoahana ny vokatra any an-toerana ihany koa izany. Miteraka fimenomenonana ho an’ny ankamaroan’ny olona.
Tafiditra ho anisan’ny faritra sy toerana ahitana vokatra maro iny distrika iny. Ma­moaka vokatra maro samihafa izy rehefa fotoana fiakaran’izany, an-tanety sy an-tanimbary. Ananan’io distrika io koa ireo karazam-bokatra maro fanondrana, toy ny kafe, jirofo, vanila, kola, paraky…
Amin’ny ankapobeny, tsy misy mpividy firy ny vary nafarana any an-toerana, raha ny fanadihadiana natao. Ampy tsara ny mponina ny voka-bary eo anivon’ny kaominina, mandrafitra ny disitrika.

Mora vidy ny hena

Ankoatra izay, manan-karena amin’ny sehatry ny fiompiana ihany koa ny any an-toerana. Tafiditra ao anatin’ny be mpiompy kisoa, omby, akoho amam-borona…indrindra iny distrika iny. Mbola tsy fahita any an-toerana kosa ny fivarotana na fiompiana akoho vazaha, izay maro mpanao eto an-drenivohitra sy any amin’ny faritra hafa.
Raha ho an’ny henan’ omby sy henan-kisoa manokana, mora lavitra raha oharina amin’ ny ao Vatomandry sy Ilaka Atsinanana ny vidiny. Mano­didina ny 8 000 Ar ny kilaon’ny henan-kisoa raha 7 000 Ar ny henan’ omby, nofony, any an-toerana. 5 000 Ar kosa raha henan’omby mifangaro.

Hopitaly manara-penitra ho ngeza indrindra

Anisan’ny tafa nifanaovan’ ny filohan’ny Repoblika tamin’ny mponina tany amin’ny disitrikan’Antanambao Mana­mpotsy, nandritra ny fampielezan-kevitra ny tsy maintsy hamitana ny lalam-pirenena faha-20. Manampy izany iha­ny koa ny fanamboarana haingana ny hopitaly manara-penitra any an-toerana. Voalaza tamin’izany fa ho vitaina amin’ ity fe-potoana faharoa hitantanany ny firenena ity ireo fotodrafitrasa roa goavana ireo.
Azo sokajiana ho hopitaly manara-penitra lehibe indrindra any amin’ny faritra Atsi­nanana io hopitaly io raha vita, araka ny fanadihadiana natao hatrany. Raha ny halehibeny, toeram-pitsaboana tokony hisy fandidiana sy karazam-pitsaboana rehetra, hitovy lenta amin’ ireny CHU (Centre hospitalier universitaire) ireny ity hopitaly hatsangana ity.
Olana mampametra-panontaniana ny mponina any an-toerana kosa ny mahakasika ny mpitsabo sy ny profesora, hitantana io fotodrafitrasa io. Indrindra, manoloana ny haratsian’ny lalana any an-toerana, izay marihina fa tsy tongan’ny fiara.

Manjaka ny fitaterana am-bisikileta

Amin’ny maha lalana tsy tongan’ny fiara afa-tsy fiara tsy mataho-dalana hamboarina manokana, mitatitr’entana sy olona mampitohy an’ i Manampontsy sy Ilaka Atsinanana, ny any an-toerana. Manampy amin’ny fitaterana ny bisikileta, izay be mpampiasa indrindra. Anisan’ny fidiram-bolan’ ireo vatan-dehilahy matanjaka ny fisian’izany.
Mahazaka entana hatramin’ny 500 kg ny bisikileta iray, raha ny fanadihadiana natao tamin’ny mpitatitra iray. Tsy taingenana fa atosika ny bisikileta mandritra izany. Maharitra eo amin’ny ora 10 ny fahavitan’izy ireo ny halaviran-dalana 42 km. Manodidina ny adiny valo kosa ny fiara tsy mataho-dalana.
Mahatratra eo amin’ny 40 000 Ar ny saran-dalan’ny olona iray. Tsy mahazaka afa-tsy olona 10 raha be indrindra ny fiara iray. 200 Ar isaky ny kilao ny saran’ny entana.
Raha tsiahivina, efa nisy ny fampiasam-bola nanamboarana io lalana io, ny taona 2017. Lany ny vola nefa ny asa tsy vita. Anisan’ny nampifanolana ny solombavambahoaka tamin’ izany fotoana sy ilay nahazo ny tolotr’asa io zava-nisy io.

Nanatontosa : Sajo

Partager sur: