Nampahafantarin’ny masoivoho amerikanina, omaly, ireo tanora 4 mirahavavy voafantina hisitraka ny “Community Engagement Exchange Program, (CEE)”, taona 2024. Anisan’ izany i Jannie Betrasimplice, Razafiarivony Raissa, Randriarimanana lalaina ary Randriamampianina Mialy. Voafidy hanaraka ny fiofanana CEE izy mirahavavy voalohany, raha ho mpitari-dalana na CEE Specialists kosa i Lalaina sy i Mialy.
Fandaharanasa iray vatsian’ny governemanta amerikanina vola ny CEE. Maharitra herintaona ny fofanana. Natao ho an’ireo mpikatroka eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena sy ireo mpitari-dalana 21 hatramin’ny 28 taona, avy amina firenena maherin’ny 100. Ireo miasa sy miantsehatra amin’ny “Civic Dialogue and Peace Building, Open Participatory Government, Women and Gender Issues, Resilience and Sustainable Development, Youth Engagement” no voakasiky ny fandaharanasa.
Ekipa matihanina amin’ny asa fitarihana fiarahamonim-pirenena no handray an-tanana ireo Malagasy mpandray anjara andiany 2024 ireo. Fifanakalozana no hatrehin’izy ireo any Etazonia. Hanampy azy ireo hamolavola ny tetikasany ao anatin’ny “Community Engagement Projects”. Fifaninana avo lenta no nandraisan’izy4 mirahavavy anjara ka naha voafantina azy ireo.
Tatiana A