Fako eny Anosipatrana: mamely ny aretin’ny taovam-pisefoana sy fivalanana

Manao antso amin’ny tomponandraikitra ny mponina sy ny mpitsabo eny amin’ny fokontany Ilanivato. Miteraka tsy fahasalamana, indrindra ho an’ny ankizy ny fivangongoan’ny fako eny Anosipatrana.

Miakatra be ny isan’ny olona marary, ahitana ankizy sy olon-dehibe, manatona tobim-pahasalamana, ao anatin’ny fokontany Ilanivato. Nanomboka ny volana desambra lasa teo izany. Matetika mahazo ny mponina ny aretin’ny taovam-pisefoana (IRA) sy ny aretim-pivalanana, araka ny fanazavan’ny mpitsabo tsy miankina iray, manana tobim-pahasalamana eny an-toerana.
“Vokatry ny fahamaroan’ny fako eo amin’ny toerana fanatobiana fako iraisana eny Anosipatrana no mitarika ny tsy fahasalaman’ny mponina ety aminay”, hoy izy. “Raha misy olona 15 tonga manatona ahy mandritra ny tontolo andro, 10 amin’ireo dia zaza madinika avokoa. Ny enina voan’ny «bronchiolite», ny efatra mandoa sy mivalana”, hoy hatrany izy. Fianakaviana sahirana nefa ny ankamaroan’ny mponina eny an-toerana. Mitady isan’andro ny hohanina ka mavesatra ho azy ireo ny vidim-panafody hitsaboana ny aretin-tratra.
“Rehefa mihombo ny aretina, tsy maintsy miditra hopitaly fa tsy vitan’ny mpitsabo intsony. Voatery haverina isan’andro arahi-maso ny kilonga madinika marary satria sempotra ka mety hitarika amin’ny fahafatesana”, hoy hatrany ity mpitsabo ity.
Ankoatra ny fahalotoan’ny rivotra, manjaka koa ny lalitra vokatr’io fako miangona io. Mitondra otrikaretina samihafa miditra any an-tokantrano ireny. Manapoizina ny sakafo sy ny rano.
Vahaolana maharitra
Efa an-taonany maro no natobin’ny tomponandraikitry ny fitantanana ny fako eto Antananarivo, eny Anosi­patrana, ny fako. Voalaza fa von­jimaika izany satria tsy azo hidirana eny Andralanitra
amin’ny fotoam-pahavaratra. “Tena tsy zaka intsony nefa ny vokatr’izany noho ny fofona sy ny lalitra aterany. Miangavy ny tomponandraikitra hijery vaha­olana izahay fa miantraika amin’ny fahasalaman’ny mponina izany”, hoy ity mpitsabo nanaovana fanadihadiana ity namarana ny resaka.

Vonjy

Partager sur: