Fanazavana ny arabe: nahazo jiro ny fokontany 9 ao Ambohidratrimo

Dimy taona tsy nisy jiro! Mazava ankehitriny ny arabe eny amin’ireo fokontany miisa 9 ao anatin’ny kaominina Ambohidratrimo. Nametrahana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro, miampy ampola miisa 80 napetraka amin’ny andrinjiron’ny Jirama. Tan­te­raka izany, vokatry ny tohana nataon’ny fikambanana Za­nak’Ambohidratrimo Maro­va­tana (Zam), tarihin’ny filohany, Rabary Hery, ny faran’ny herinandro lasa teo.
Maizina tanteraka ny arabe tao amin’ireo fokontany miisa sivy ireo tato anatin’ny dimy taona. Nisy fiantraikany any amin’ny lafiny toekarena sy sosialy izany satria tsy afaka mamokatra am-pahatoniana ny mponina. Nilaza Rakoto, mponina any amin’ny fokontany Ambohidehilahy, fa nanjaka ny tsy fandriampahalemana. Nisy mihitsy aza ny olona maty vokatr’izany, vao tsy ela izay.
Tsiahivina, maro ny fanohanana efa nataon’ity fikambanana ity amin’ny lafiny fampandrosoana sy sosialy any an-toerana. Anisan’izany ny fanomezana masomboly ho an’ny tantsaha hoentina mamokatra, ny fampidirana rano fisotro, ny fampitaovana ny mpanasa lamba sy ny mpanao fanatanjahantena. Teo koa ny fanomezan-kasina ny zokiolona noho ny taona vaovao.

Njaka A.

Partager sur: