“Ho amin’ny tsaratsara kokoa ny politika ankapoben’ny fanjakana, ary tsy izahay no sakana amin’izany”, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, omaly, tetsy Anosikely. Anisan’ny handalo eny amin’izy ireo ny momba izany amin’izao fivoriana tsy ara-potoana izao.
Nitohy omaly, ny fitsidihan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, ny any Alzeria. Nihaona tamin’ny solontenan’ny Antenimierampirenena entim-bahoaka any an-toerana ny tenany. Nifanakalo traikefa eo amin’ny samy parlemanta.
Fanamby manaraka ho an’ny Safidy ny hanaraha-maso ny fifidianana any amin’ny tany lavitra andriana. Nivoitra izany tamin’ny fihaonan’izy ireo amin’ ny solontenan’ny Vondrona eoropeanina, omaly. Maherin’ny 5 000 ireo mpanara-maso tamin’ny fifidianana farany teo.
Nifarana omaly, tany Roma, ny fihaonana an-tampony eo amin’i Italia sy i Afrika. Iraka manokana any an-toerana ny minisitra isany, Rasata Rafaravavitafika, Rakotondrazafy Lalatiana. Niompana amin’ny fiaraha-miasa ny dinika tamin’izany.