Nilaza ny tale jeneralin’ny fadintseranana (DGD), Lahinkana Zafivanona, ny herinandro lasa teo, fa mihoatra ny 50 ny fandikan-dalàna mahakasika ny harena an-kibon’ny tany, tratran’ny sampandraharan’izy ireo, nandritra ny taona 2023. Nomarihiny fa tsy teny amin’ny seranan’ Ivato ihany no nahitana izany fa saika ireo seranam-piaramanidina manana zotra mankany ivelany. Anisan’izany ny any Nosy Be, Taolagnaro, Toamasina, Mahajanga, Toliara, sns.
Anisan’izany ny fandikan-dalàna nahatrarana ny filazana fa ny vato sarobidy (gème), milanja 56 kilao, nefa nolazaina anaty taratasy fa vato indostrialy. Toraka izany koa ny fanambarana anaty taratasy fa volamena tsotra, firavaka, nefa tsy nahitana fitomboka. Marihina fa tsy maintsy hanaovana fanambarana ny volamena mihoatra ny 250 grama, raha hoentina any ivelany.
Njaka A.