Mbola hiatrika fandidiana…: mitohy ny hetsika “Tolo-tanana ho an’i Mikakely”

Niatrika fandidiana fanintelony, omaly, i Mikakely. Araka ny nampitain’ny fianakaviana, voatery nampidirana fantsona teo amin’ny tendany. Sarotra ny fitsaboana ary mbola lavitra izany, raha ny fampitam-baovao, hatrany. Fantatra fa mbola hisy ny fampidirana azy ao amin’ny efitrano fandidiana aorian’izao, na dia nizotra soamantsara aza ireo teo aloha.
Araka izany, mitohy hatrany ny hetsika “Tolo-tanana ho an’i Mikakely”. Feno ny amin’ity herinandro ity, satria tanterahan’ireo namany ilay fiteny, izay natao lohahevitra mihitsy “Aza avela hatory”. Hifamo­toana anio, eny amin’ny La Cabane Andavamamba ireo mpanakanto namany, toa an-dry Arnold, tarika Miandry, Tarika Lifah, Chris Big ary Tafs Ramahafadrahona. Ha­nomboka amin’ny 5 ora hariva ny fanentanana, mialohan’ny hifandiambiasan’ireo mpanakanto an-tsehatra. Hanohy ny fanafanana ny fotoana kosa ry Dj Chris Lazer sy Dj Rainth.
Mitohy toraka izany koa ny eny amin’ny M’lam Mana­kambahiny, izay toerana na­naovana ireo hetsika tamin’iny herinandro iny. Anjaran’i Silo sy ny Weaver trio indray no hitondra ireo mpankafy mozika any amin’ny tontolony, rahampitso alarobia, manomboka amin’ny 5 ora hariva. Hanomboka amin’ny 2 ora tolakandro kosa ny alakamisy 1 febroary, ka sehatra malalaka ho an’ny rehetra aloha ny fisantarana izany. Amin’ny 5 ora toy ny mahazatra ny seho, izay hifandimbiasan’ny tarika Zandry Gasy, Anoka Bà Gasy, Rolf, Day, Maher’s, sns.
Araka ny nampitain’ny mpandrindra ny tolo-tanana hatrany, malalaka ho an’ireo mpanakanto naman’i Mika ny sehatra, fa tsy tapitra amin’ireo voalaza ireo akory. Misy hatrany anefa ny fandaminana mba hampirindra ny hetsika.

Zo ny Aina

Partager sur: