Trangam-piarahamonina iray tena nahakivy sy nahaketraka ary nahatezitra no nitranga omaly, teny Manarintsoa. Maty noho ny kapoka nataon’ny raikeliny hoe ilay zazavavikely? Nahaontsa ny nijery ilay vaovao niely. Tena nanohina mafy ary samy naneho fihetsehampo daholo izay nahita tamin’ny tambajotran-tserasera. Homboy ! homboy ! sambory ! gadrao ! izany avokoa ny antsoantson’ny mpanara-baovao.
Indrisy fa mpitsabo aorian-drafahafatesana avokoa nefa isika mianakavy. Firifiry ny zaza ianjadian’ny herisetra, na am-bava na ara-batana ? Samy mitazantazam-potsiny ilay mpiara-monina. Tsy misy sahy mijoro ho mpitoroka fa mijanona ho mpamendrofendro fotsiny. Miavona sy tsy te hahalala, tonga amin’ilay tenin-jatovo : « Inona akia no idirako » ve ? Manentsin-keloka avokoa.
Sady tompon’andraikitra feno no mpiray tsikombakomba ny mpifanolo-bodirindrina tsy sahy manontsana ny fampijaliana zaza tahaka izao. Marina fa sarotra ny miditra amin’ny fiainan’ny hafa. Ianao miezaka mandeha mahitsy no avadiky ny sasany ho olon-dratsy. Ilay miady tombontsoa ho an’ny besinimaro no ataon’ny olona ho « miseho milay ». Tsy mahagaga fa efa mivadika ny rasa.
Na izany aza, tsy tokony ho sakana sy tsy handraisana andraikitra izay vavan’ny fiarahamonina. Indrindra fa tranga mety mihatra aman’aina tahaka ny zava-niseho nahafatesana zaza tsy manan-tsiny. Tsy vitan’ny mitsetsetra sy mihogahoga hoe tsy rariny. Mitaky fahatsapan-tena lalina sy fahavononana hiaritra ny vavam-bahoaka raha te hanana ny soa.
Mila fandrindrana rahateo ny fiarahamonina. Mila fiaraha-mientana ny fampanjakana ny marina. Soa ihany fa nasiana departemanta iray mihitsy ilay « FIRAISANKINA » ao amin’ny minisiteran’ny Mponina, ka heverina fa hahitam-bokany izany !
r.r