Nandritra ny 54 taona : mitentina 920 tapitrisa euros ny famatsiam-bola nataon’ny BEI

Mpiara-miasa akaiky amin’ny fanjakana malagasy ny Banky eoropeanina momba ny famatsiam-bola (BEI), amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa samihafa atao eto amin’ny firenena. Hatramin’ny taona 1970, nahatratra 920 tapitrisa euros ny famatsiam-bola azon’i Madagasikara.

Manodidina ny 43 ireo tetikasa nahazo famatsiam-bola avy amin’ny Banque européenne d’investissement (BEI) teto Mada­gasikara, hatramin’ny taona 1970, taona nanombohan’ ny fiaraha-miasany amin’ny firenena malagasy. Natokana ho an’ny sehatry ny fitaterana ny 32,97% amin’izany, araka ny tatitra navoakan’ny BEI. Izany hoe, manodidina ny 303 tapitrisa euros ny kitapombolan’ny BEI ity famatsiam-bola ho an’ny sehatry ny fitaterana ity. Mitentina 287 tapitrisa euros (31,23%) no nentina namatsiana ireo tetikasa ho an’ny sehatry ny indostria, raha toa ka manodidina ny 186 tapitrisa euros, izany hoe, 24,20% tao no nentina hampiroboroboana ny sehatry ny angovo eto Madagasikara. Nilaza ny BEI fa mbola hitohy ny fiaraha-miasa eo amin’ny fanjakana malagasy. Mbola hisitraka famatsiam-bola ny sehatry ny rano sy ny fanadiovana, ny fambolena, ny jono ary ny fitrandrahana ala. Mifantoka amin’ny famatsiam-bola ireo tetikasa miantraika mivantana amin’ny fiarahamonina ny BEI, toy ny fanamboarana ny RN6 sy ny RN13. Mbola mandray anjara amin’ny tetikasa ny orinasa Jirama Water III sy ny fanamafisana ny fampifandraisana ny tambajotra (Prirtem I) ihany koa izy.
Miara-miasa
Mpiara-miasa akaiky amin’ireo Andrimpanjakana mpamatsy eto an-toerana ny BEI izay nahafahany nanampy ireo orinasa madinika nampindram-bola ho an’ny fanodinana sy fampiroboroboana ny seha-piariany. Mbola naneho ny fahavononany hanohy ny fiaraha-miasany amin’ny BEI ny fanjakana malagasy sy ireo mpamatsy vola marolafy. Ao anatin’izay ny Banky iraisam-pirenena, ny Banky Arabo ho an’ny fampandrosoana ny toekarena aty Afrika (Badea), ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (BAD), ny Tahirimbola iraisam-pirenena ho an’ny fampandrosoana ny fambolena (FIDA), araka ny paikadin-trosa, ny taona 2024-2026.

Henintsoa Hani

Partager sur: