Teratany tchadien iray voalaza fa manam-pahaizana momba ny informatika nivoaka tao amin’ny oniversiten’i Moscou no lehiben’ny tambajotra mpisoloky amin’ny resaka “Trading”. Teo koa ireo teratany camerounais roa lahy sy gabonais iray ary Malagasy telo izay samy voasambotry ny polisy avokoa.
Raha ny tatitra nampitain’ny polisy, eo amin’ny tambajotran-tserasera facebook no hiasan’ireto mpisoloky avo lenta ireto. Milaza ireo olona voarohirohy fa ao amin’ny pejy maromaro toy ny Global Training, raha mametraka 500 000 Ar amin’ny plateforme an’izy ireo dia mitombo ho 2 500 000 Ar izany afaka adiny roa. Maro ireo olona te hanankarena tampoka ka roboka tao anatin’izany ka mandefa vola ao amin’ny kaontin’izy ireo tokoa. Nony azon’izy ireo anefa ny vola, manjavona sady potehin’izy ireo ny puce nifandraisany tamin’ireo olona niharan’ny fisolokiana. Nilaza izy nandritra ny famotoran’ny polisy fa tao anatin’ny herinandro monja dia nahazo 100 tapitrisa Ar. Olona manodidina ny 150 isa no voasolokin’izy ireo tamin’izany. Niaiky ny heloka vitany izy ireo nandritra ny famotoran’ny polisy. Marobe koa ireo olona efa voasolokin’izy ireo.
Natolotra ny fampanoavana ireto mpisoloky ireto ka naiditra am-ponja vonjimaika miandry ny fotoam-pitsarana. Anatra ho an’ireo olona tsy te hisasatra fa maika ny hanan-karena tampoka izao.
J.C