Nifarana ny faran’ny herinandro lasa teo ny fiadiana ny tompondakan’i Matsiatra Ambony, taranja basikety 3×3, sokajy vehivavy U23. Ny ekipan’ny EBF, araka izany, no hisolotena an’i Matsiatra Ambony amin’
ilay fifaninanana «De la Rue vers L’Or» izay hotanterahina eto Antananarivo, ny 16-18 febroary ho avy izao.
Niala teo amin’ny tontolon’ny baolina kitra malagasy Rakotoharimalala Mirado. Handeha ho any Canada izy sy ny fianakaviany, araka ny vaovao voaray. Anisan’ireo olona nanangana ny fifaninanana “Orange Pro League” teto Madagasikara ny tenany. Tsiahivina fa izy no solontenan’i Madagasikara nifidy ny “Ballon d’Or Africain” farany teo.
Hotanterahina ny volana febroary ho avy izao, any Arabia Saodita, ny lalao ara-pirahalahiana, hihaonan’ny Inter Miami, Etats Unis sy ny Al Nassr, Arabia Saodita. Amin’io fotoana io no hihaona indray i Cristiano Ronaldo, portiogey milalao ao amin’ny Al Nassr sy i Lionel Messi, arzantinina lohalaharan’ny Inter Miami.
Norombahin’i Jannik Sinner, italianina mpilalao tenisy, ny amboaran’ny Grand Chelem, tany Australie. Lavony tamin’ny seta 3 no ho 2 (3,6/3,6/6,4/6,4/6,3) i Daniil Medvedev, nandritra ny lalao famaranana, ny alahady lasa teo. Marihina fa ity no Grand Chelem voalohany ho an’i Jannik Sinner.