Hitohy hatramin’ny 17 febroary 2024 ny fampirantiana sary hosodoko, eny amin’ny Galerie Vellutini Isoraka, araka ny nambaran’ny tomponandraikitry ny hetsika. Nifarana ny 26 janoary 2024 izany, raha ny drafitra napetraky ny mpikarakara. Mpahay kanto maro samihafa no miaraka mandranty ny haikanto eny an-toerana mandritra ireo fotoana ireo.
Rajery Trio, any Toliara. Ao amin’ny Vakok’Arts Trano, ao amin’ny Alliance Française Toliara ny seho manaraka iarahana amin-dRajery. Efa tena ela no tsy nihaona tamin’ireo mpankafy ny mozika miaina tany atsimo ity mpanakanto ity, ka manome fotoana ireo mpankafy ny zoma 9 febroary izao. Hiaraka aminy amin’izany i Jery eo amin’ny gitara sy i Tojo eo amin’ny zavamaneno ravaka.
Mifarana anio, ny fampiratiana “Harmony of Chaos”, atao eny amin’ny CRAAM Ankatso, izay tanterahin’ny We Art, ivondronan’i A.J sy O.R, mpanao sary hosodoko. Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny faha-10 taonan’ny CRAAM ny hetsika.
Kabary, hisy ny « Zara fahalalana ». Amin’ny alalan’ny fampiasana ny facebook no hanatanterahin’ny Fikambanan’ny mpikabary malagasy (Fi.Mpi.Ma) ny fanatevenam-pahalalana ho an’ireo mpikambana maneran-tany, ao aminy. Isaky ny alatsinainy manomboka amin’ny 6 ora maraina no ahafahana manaraka izany.».