Tetikasa “Kanto Manabe”: mpilatsaka an-tsitrapo miofana momba ny sary sokitra

Fampianarana ny fototra amin’ny fanaovana sary no ampitaina amin’ireo eny anivon’ny fiarahamonina mba hampivoarana sy hampivelaran’izy ireo ny talentany. Izany ihany koa no homena ireo mpanabe kanto izay hizara izany eny ifotony.

Ao anatin’ny fiofanana tanteraka ny mpanabe ny kanto ao anatin’ny Tetikasa “Kanto Manabe” (TKM) amin’izao fotoana izao, eny amin’ny Tranomboky mo­nisipaly Analakely. Anisan’ny nampiavaka ny fiofanana ny fisian’ny fampiofanana sary sokitra. Tsiahivina fa ny mahakasika ny sary amin’ny ankapobeny mihitsy no hiofanan’izy ireo. Tanjona amin’izany ny hahafahana mifehy tanteraka ny fanaovana sary mba hahatontosa ny fampitana ny fampianarana manao sary eny ifotony, indrindra ho an’ny ankizy eny anivon’ny fokontany sy ny sekoly samihafa.
Efa madiva hiditra eo amin’ ny dingana fahatelo ny TKM ankehitriny. Manana paikady hanatanterahana ity tetikasa ity ny tomponandraikitra. Voa­lohany indrindra amin’izany ny fanotronana ny fikambanana misehatra amin’ny zavakanto, indrindra ny fanaovana sary eny anivon’ny sekoly isan-karazany. Anisan’ny efa nisitraka izany ny Lycée Jules Ferry Faravohitra, nandritra ny andron’ny omaly. Sekolim-panjakana maro eto Antana­narivo Renivohitra ihany koa no efa nandalovan’ny tetikasa. Mandritra izany no izarana traikefa sy fahaiza-manao amin’ireo ankizy. Eo ihany koa ny fanohanana sy fampiroboroboana ny haikanto iangaliany mba hampivelatra sy hampisondrotra azy. Paikady faharoa ny fampiofanana ny mpanao sary ary farany ny fanofanana ny mpanabe ny kanto hanaparitaka sy hampianatra ny sary eny anivon’ny fiaraha-monina.

Fanabeazana amin’ny sary
Mpanao sary matihanina sy manampahaizana amin’ny fanabeazana no miandraikitra ny fampiofanana. Anisan’iza­ny Raharvel Katty, nizara ny lalan-kevitry ny fanabeazana entin’ny sary samihafa eo anivon’ny fiarahamonina. Teo ihany koa ny ekipan’i Vania, nampiofana ny mahakasika ny fanatsarana sy fanomezana endrika ny sary. Ny hahafehezan’ireo mpanabe Kanto ny fampianarana ampitainy sy hanatrarana ny hoe “Kanto Manabe” no tanjona ao ana­tin’izany.

Lin

 

Partager sur: