Mizotra araka ny tokony ho izy ny fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tanjona lehibe ny hahafahany mandray kaontenera 1 000 000 amin’ny taona 2035. Dinidinika niarahana tamin’ny tale jeneraliny (DG), Avellin Christian Eddy.
Gazety Taratra (*) : Aiza ho aiza ny asa fanitarana ny seranan-tsambon’i Toamasina ?
Avellin Christian Eddy (-) : Nanomboka ny avrily 2018 ny asa fanitarana, mitentina 639 tapitrisa dolara. Fampindramam-bola avy amin’ny fiaraha-miasa japoney (Jica), ny 65%, izany hoe, ny 411 tapitrisa dolara, ary an’ny fanjakana malagasy ny 35%, 228 tapitrisa dolara. Novinavinaina ho vita amin’ny taona 2027, saingy nisy fihemorany kely, noho ny krizy 2019, ka tsy afaka niasa ny taona 2020. Manodidina ny 60%-n’ny fizotry ny asa vita izao.
*Inona ny fiovana tena ho entiny ?
– Zava-dehibe tokoa ny fiovana raha tena ho vita ny fotodrafritrasa. Satria anisan’ny fampiasam-bola goavana, matoa nanaiky hamoaka vola maherin’ny 411 tapitrisa dolara aty amin’ny kaontinanta tapany atsimon’i Afrika ny fanjakana japoney. Tanjona amin’ny fanavaozana ny seranan-tsambon’i Toamasina ny hahafahany mandray kaontenera manodidina ny 1 000 000 amin’ny taona 2035. Fantarao fa 175 000 ny kaontenera tokony ho zakan’ny seranan’i Toamasina nefa efa tafakatra 250 000 tamin’ny taona 2019. Ampahatsiahivina fa miditra eto Toamasina ny 75%-n’ny entana hafarana avy any ivelany, ary raisina eto daholo ny 100%-n’ny solika, izay andrin’ny toekarentsika.
*Inona ny asa tena atao amin’ity fanitarana ity ?
– Marobe sady tena goavana. Mahatratra 10 ha ny velaran-tany vaovao hatao, handraisana ny kaontenera izay tsipihiko fa ranomasina nototofana tany, mba hisorohana ny ady tany sy ny fanalana trano fonenan’olona. Halalinina hatrany amin’ny 16 metatra ireo toeram-piantsonana (quai), sady hitarina ny halavany, ka afaka mandray sambo vaventy. Nohamafisina ny morontsiraka ao amin’ny seranan-tsambo sy ny manodidina ny tanànan’i Toamasina, nametrahana arofenitra vita amin’ny vato sy simenitra (tetrapodes sy dolos), milanja 30 t sy 50 t tsirairay. Eo koa ny arabe migodana (voie rapide) mirefy 10 km, avy aty amin’ny seranana mankany Antananarivo.
Nanangona : Njaka Andriantefiarinesy