Ambilobe : amboarina amin’ny akora misy ny tranon-tantely

Nanomboka ny volana septambra 2023, nisitraka tan­tsoroka teknika ireo mpiompy tantely any amin’ny kaominina Ambatoben’Anjavy sy Bera­manja, distrikan’Ambilobe. Miara-dalana amin’izy ireo amin’izany ny mpiompy tan­tely efa nahazo traikefa ani­von’ny kaoperativa FAMA.

Nohamafisina ny fomba fanamboarana tranon-tantely, amin’ny alalan’ny akora fototra hita any an-toerana, ny fomba fisarihana andian-tantely, ny fomba fiotazana ary ny fitantanana ny vokatra. Fitaovana mora hita eny anivon’ny natiora no ampiasaina ka tsy sahirana ireo mpiompy mitady ny akora fototra handrafetana ireo tranon-tantely. Fomba fiasa vaovao vokatry ny fifanakalozana nisy teo amin’ireo mpiompy tantely, ireo mpiompy tantely mpiara-dia efa mizara ny traikefany ary ny teknisianina
anivon’ny PAGE2, AFAFI-Nord-AF ny fampiasana ireo akora fototra ireo. Mifanaraka kokoa amin’ny zava-misy any an-toerana sy mamaly ny filàna izany.

Mitohy hatrany ny tantsoroka ataon’ireo mpiompy tantely mpizara traikefa amin’ireo mpiompy tantely eny ambanivohitra ao amin’ny distrikan’ Ambilobe, hahatonga azy ireo hizaka tena rehefa mifarana ny tetikasa fa tsy hiankindoha intsony. Hetsika vatsian’ny Vondrona eoropeana sy ny BMZ na minisitera federaly alemana misahana ny Fiaraha-miasa ara-ekonomika sy ny fampandrosoana.

Vonjy

Partager sur: