« Le Petit Bonhomme de riz» an-dRandriamanantsoa Rianando Ludovic, Malagasy mpanatontosa sarimihetsika indray no ho hita mandritra ny hetsika « Cinem’Alliance », eny amin’ny Alliance française d’Antananarivo (Aft Andavamamba), anio. Hisy koa ny atrikasa sinema iarahana amin’i Tojonantenaina Annick. Nampitondraina ny lohateny hoe « Bouger la camera pour créer des histoires » izany. Misokatra ho an’ny rehetra, maimaimpoana ny hetsika. Tanjona ny hampandroso sy hampiroborobo ny haikanto sy ny tontolony.
Raha fintinina ny horonantsary, tantarana ankizy sahirana ara-pivelomana monina eto Antananarivo Renivohitra izy ity. Mivoitra ao anatin’izany ny fiatrehany ny sedram-piainany amin’ny alalan’ny fangalaram-bary. Ao anatin’izany no nahafahany nandoa ny hofan-tranony na dia trano tsizarizary aza.
Nandalina manokana momba ny sarimihetsika, tany Maroc, Randriamanantsoa Rianando Ludovic. Anisan’ny nandray anjara tamin’ny fanatontosana ny sarimihetsika “Lova” izy, ny taona 2020. Teo ihany koa ny “Disco Africa” izay manana ny maha izy azy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Lin