Delege naiditra am-ponja : namono olona tamin’ny vy mahamay

Naiditra am-ponja vonjimaika ao amin’ny fonjaben’Ambalatavoahangy Toamasina, omaly ny delegen’ny boriborintany ao amin’ny kaominina Andasibe Vavatenina. Tompon’antoka tamina raharaha vonoan’olona feno habibiana izy…

Votoatin’ny fiampangana ity delegen’ny boriborintany ao amin’ny kaominina Andasibe, distrikan’i Va­vatenina, ity ny vonoan’olona feno habibiana, fanararaotam-pahefana tsy rafesi-mandidy ary fandosirana sy fandavana fiantsoana nataon’ny zandary. Vao roa taona monja anefa izy no niasa tao amin’io kaominina io. Nitrangana savorovoro tao an-toerana ny alahady 15 oktobra 2023 lasa teo. Tovolahy iray 28 taona antsoina hoe Risko no nolazain’ny fokonolona fa namaky trano. Nosamborin’ny fokonolona izy ka natolotra an’ilay delege. Naiditra « violon » tao amin’ny kaominina ity farany. Nohi­din’ny mpiasan’ny kaominina ny varavarana. Niharan’ny vono sy daroka avy hatrany ilay tovolahy. Henon’ireo fokonolona teny ivelan’ny trano rahateo ny kiakiaka nataon’i Risko niainga avy ao amin’ny biraon’ny kaominina.

Nitsoaka i Delege…
Niezaka nandondona ny varavarana ny fokonolona sy ny fianakaviana teny ivelany fa tsy nanokatra varavarana ireo olona tao anaty birao. Tonga hanatitra sakafo ho azy ny vadiny ny alina ka niharan’ny fandrahonana. Navoakan’ izy ireo avy ao amin’ny « violon » i Risko kanjo nianjera, namoy ny ainy. Mangana sy feno ratra ny vatany manontolo.

Tsy nipetra-potsiny ny fianakavian’ilay tovolahy niharam-boina. Naverina nozahan’ny dokoteran’ny BMH Toamasina indray ny razana na efa voalevina aza. Voa­la­zan’ny mpitsabo ao Vava­tenina fa matin’ny hanoanana no nahafaty azy. Voaporofo tamin’ny fizahana fa maty noho ny vono sy daroka izy. Tsy vitan’izay fa mbola nodorana tamin’ny vy mahamay koa ny vatany. Mpiasan’ny kaominina roa lahy no efa voasambotra voalohany. Na­nitrikitrika izy ireo manoloana ny mpanao famotorana tao Fenoarivo Atsinanana fa baikon’ny delege no nitarika ny fahafatesan’i Risko. Nitsoaka ilay delege rehefa nampanantsoin’ny zandary, kanjo tratra tao amina trano fandraisam-bahiny iray ao Toamasina.

Sajo/J.C

Partager sur: