Nifamaly tifitra tamin’ny mpitandro filaminana, namoy ny ainy ny jiolahy telo lahy, tamin’ireo nanafika tao Soanarivo, kaominina Fiaferana, distrikan’Antananarivo Avaradrano, afakomaly. Naharay fampandrenesana ny zandary fa nitrangana fanafihana tao amin’io fokontany io tamin’ny 8 ora alina. Nanao ny paikady hanatrarana ireo olon-dratsy ireo ny mpitandro filaminana. Nandrindra izany ny lefitry ny kaomandin’ny Vondron-tobim-paritry ny zandarimaria Antananarivo Renivohitra. Raikitra ny fifandonana tamin’ireo olon-dratsy tamin’ny 1 ora maraina, tao amin’ny lalana hivoaka an’i Mahazo. Fito lahy ireo jiolahy, nitifitra avy hatrany ny mpitandro filaminana nifanehatra taminy. Namaly ireto farany ka lavo ny telo lahy tamin’ireo jiolahy. Nitsoaka nandositra ny namany. Nahatrarana basim-borona Calibre 12 sy bala miisa efatra. Nihazona sabatra lavalela koa ireo jiolahy. Efa mpampihorohoro ny mponina anaty kaominina maro toy ny ao Manjakandriana, Carion, Fieferana, Ambohimalaza, Ambohimangakely, Ankadikely sy Ilafy ireto lavo ireo.
Tsiferana R.