Nirongatra tato ho ato ny lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona. Lohalaharana amin’izany ny moto. Manoloana izany, nanatanteraka fanentanana manokana tamin’ireo mpitondra kodiaran-droa teny amin’ny « rond point » Ankasina, ny sampandraharahan’ny polisim-pirenena misahana ny lozam-pifamoivoizana na BAC (Brigade des accidents de la circulation) eny Tsaralalana. Nandray ny andraikiny manokana, araka izany, ity sampana iray misahana ny lozam-pifamoivoizana eo anivon’ny polisim-pirenena ity noho ny lozam-pifamoivoizana sesilany teto an-dRenivohitra. Tanjona ny fanairana ny sain’ireo mpitondra moto momba ny loza ateraky ny tsy fanarahan-dalàna mifehy ny fifamoivoizana, ny tsy fahatomombanan’ny fitaovam-piarovana, toy ny aroloha, ny fanamiana fampiasa rehefa mitondra moto. Eo koa ny fandehanana mafy na misetrasetra diso tafahoatra rehefa mampiasa lalana.
Hitohy ny hetsika…
Noho ireo antony ireo, ankoatra ny fanehoana an-tsary ny vokatry ny lozam-pifamoivoizana sy ny fizarana takelaka dia nisy koa ny fizahana ireo tsy fahatomombanana amin’ny moto, toy ny jiro, ny kodiarana, ny fitaratra ahafahana mijery ny any aoriana. Fa eo koa ny tsy fahatomombanan’ny antontan-taratasy izay tsy maintsy hita amin’ny moto. Nomarihin’ny polisy fa mbola fanentanana hatrany no ataon’ny BAC hatramin’izao fa tsy mbola fanasaziana ireo minia tsy manara-dalàna. Hitohy ny hetsika toy izao eto an-dRenivohitra mba hampihenana ny trangana lozam-pifamoivoizana. Tsy ny moto ihany anefa no voakasiky ny fanentanana toy izao fa hisy koa ny hetsika manokana hatao momba ireo mpampiasa lalana toy ny fiara sy ny bisikileta ary ny mpandeha an-tongotra. Ny mpandeha an-tongotra rahateo efa tsy matahotra fiara intsony, ny faritra voatokana ho an’ny mpandeha an-tongotra koa efa lasa fivarotana sy fiantsonan’ireo fiara tsy manana garazy itobiana.
J.C