Tahiana Rasolojaona : “Izay hira mendrika no voasokajy anatin’ny RDJ Mozika”

Fantatra avokoa ireo hira voatsonga isan-tsokajy. Nitondra fanazavana mahakasika izany sy ny “RDJ Mozika” amin’ny ankapobeny ny mpikarakara, omaly.

“Arakaraky ny fivoaran’ny mozika ny sokajy hampidiranay ny hira. Miovaova isan-taona izany, ka izay no mampio­vaova koa ny sokajy misy. Marihinay foana fa ireo dia hira sanganasan’ireo mpanakanto izay nateriny na nale­fany taty amin’ny RDJ, nahazo ny fankatoavana fa afaka mandeha amin’ny onjampeo. Ara­karaka ny fitiavan’ny mpihaino azy sy ny fangatahan’ izy ireo matetika ny hira indray no maha voafidy azy isan-tsokajy, izany hoe izay hira mendrika izany”. Fanazavana nentin-dRasolojaona Tahiana na i Jaytaxx, tale jeneralin’ny RDJ io. Nisy ny fihaonana tamin’ ireo mpanao gazety sy ireo mpanakanto, nitondrana ny fanazavana mahakasika ny “RDJ Mozika”, na dia efa hiditra amin’ny andiany faha-19 aza amin’ity.
Sokajy 21, araka izany, no voatana amin’ny “RDJ Mozika 2023”. Ireo hira voarain’ny RDJ nanomboka ny 1 novambra 2022 hatramin’ny 30 no­vambra 2023 no nisafidianana ireo. “Ny hira fa tsy ny mpanakanto no safidianay isan-tsokajy. Komity manokana ato amin’ny RDJ no nanao ny safidy izay hira hifaninana. Ny mpankafy sy ny mpihaino kosa no hifidy manontolo ny isan-tsokajy”, hoy i Mira Mialy Hari­nosy, tompon’andraikitry ny komity mpihaino ao amin’ny onjampeo.
Toa ny efa nahafantarana azy, hetsika iray goavana ihany koa ny fotoana fanambarana izay mendrika isan-tsokajy. Hivelatra ho an’ny mpankafy izany amin’ity, satria haka endrika seho goavana, izay hotontosaina etsy amin’ ny Lapan’ny fanatanjahantena sy ny kolontsaina Mahama­sina, ny alahady 4 febroary izao. Hanafana ny seho, anelanelan’ ny fizarana mari-pankasitrahana ry Rossy, Wawa, Henika, Big MJ, Rim-Ka, Ayam, Njara Marcel, Bolo, Agrad, Parish, Johanne, Minah Bolimakoa, sns.

Zo ny Aina

Partager sur: