TARATRY ny KANTO

Mikea eny amin’ny Hôtel 12 Collines. Eny amin’ ny Domaine Manerinerina, Ambohijanahary Ambohibao ity toerana ity. Hisy ny fiarahana amin’ny tarika Mikea sy i Théo Rakotovao, ny zoma 16 febroary ho avy izao manomboka amin’ny 8 ora sy sasany. Ity no fiarahana taorian’ny nivoahan’ny rakikira vaovao “vola”, tamin’ny fiandohan’ity taona ity.

Ny haikanto vita amin’ny zavamaniry fanao fanafody indray no handravaka ny atrikasa “Hay”, eny amin’ny Fondation H Ambatomena, amin’ity anio ity. Fanehoana ny zava-bita sy ny niofanana nandritra ny volana janoary no ho hita eny. Isaky ny alarobia, nandritra ny volana janoary, ny mpiofana no nianatra ny mahakasika izany.

Tanterahina anio, eny amin’ny Aft Andava­mamba, ny famaranana ny fampirantiana “Aux horizons de la physique”. Hetsika anehoana sy ampahafantarana ny zava-misy ankehitriny eo amin’ny tontolo ara-materialy, ahafahana mahalala bebe kokoa ny tontolo rehetra. Nanomboka ny 15 janoary izany ary hifarana anio.

Ny an’ny Malagasy, ny tadidy no betsaka… Fa ny hampiasa ny fahiny ho fakàna anatra, tsy ampy loatra. Eto, ny anatra tsy midika fa nisy tsy nety ny tany aloha fa fanatsarana ny ho avy. « Be fihetsem-po be ianareo Malagasy », hoy ny vahiny. Marina amin’ny ampahany io, satria, raha hain’ny Malagasy ny mitrandraka ny lasa, hivadika ho asa io fientanam-po be io.

Partager sur: