Toe-tsaina miiba

 

Nahoraka omaly, teto an-dRenivohitra sy tamin’ny tambajotran-tserasera ny fako misavovona eny Anosipatrana. Tapaka tanteraka ny lalana, ary manomboka marary ny mponina. Tafahoatra ny havoretran’ny tanàna, izay mainka mandetika ny mponina any anaty fahantrana mangitsokitsoka. Zava-doza, 80% amin’ny mponina, izay manatona toeram-pitsaboana dia mararin’ny loto avokoa.
Asa! Miova sata miova andriana, ka miova ny fitantanana? zary ifanjanana ny fakana fako? Iaraha-mahita fa misy ny ezaka goavana ataon’ny eo amin’ny fiadidiana ny kaominina, saingy tena tsy maharaka. Tafahoatra ny fako etsy sy eroa. Raha tsy ny sintona lakolosy nataon’ny mpikirakira « Facebook » angamba dia asa izay manjo ilay Antananarivo sy ny vahoakany ! Raha atao indray mijery, tena tsy mbola maloto tahaka izao angamba ity renivohi-pirenena ity.
Tsy natao hifanomezan-tsiny, tsy natao hifanilihana andraikitra fa sintona lakolosy no atao. Efa zava-doza mipaka hatrany amin’ny hery mpamokatra no miseho. Tsy voatery hiandry ny tomponandraikitra anefa izany. Manana adidy goavana ny isam-batan’olona sy ny isan-tokantrano haka izay manandrify azy. Tsy ianteherana ny manampahefana, izay matetika tsy miaina akory ny voka-dratsin’ny loto.
Ilaina ny fifanabeazan’ny olom-pirenena amin’ny fanadiovana amin’ny lafiny rehetra. Tafiditra anatin’izany ny fahaizana misafidy izay homem-pahefana. Fananana toe-tsaina tsy tiatiakely ka tsy hihevitra fa tsy anjaranao ny mitantana ny fako. Miainga avy any an-trano izy ireny, miainga amin’ilay tsy fitiavana loto.
Olana ho an’ny mponin’Antananarivo ny fikolokoloana fisainana miiba miantso onja miiba. Tsy mahagaga raha loto, aretina, fahantrana no zary andavanandrony. Mbola lavitry ny afo ny kitay, hampirehetina hitondra ilay afom-pampandrosoana ho an’ny rehetra. .

r.r

Partager sur: