Nilaza ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro, etsy Ampandrianomby, fa hisy fiforonana rivodoza any amin’ny sisiny atsinanan’ny fari-dranomasin’ny ranomasimbe Indianina, amin’ity herinandro ity. Heverina tsy hahakasika an’i Madagasika anefa izany raha ny tombana.
Tombanana ny hisian’ny fandalovana rindrin-drahona any amin’ny ilany atsimo atsinanana manomboka anio. Hitondra rotsakorana betsaka any Vatovavy, Fitovinany ary Atsimo Atsinanana izany. Hanodidina ny 40 hatramin’ny 80mm ao anatin’ny 24 ora ny rotsakorana. Nahazo filazana fampitandremana miloko maitso ny distrikan’i Nosy Varika, Mananjary, Vohipeno hatrany Farafangana sy Vangaindrano. Mila mailo ny mponina amin’ny fiakaran’ny rano vokatr’izany.
Hitohy hatrany koa ny oram-pahavaratra noho ny tsy fahamarinan-toeran’ny atmosfera any amin’ny ilany andrefana sy ny faritra avaratry ny Nosy.
Mbola hiparitaka manerana ny Nosy ihany koa ny oram-pahavaratra ankoatra ny morontsiraka andrefana sy ny tapany atsimo.
Tatiana A